Hitohy hatrany ny orana, indrindra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, ato anatin’ny telo andro manaraka. Mety hahatratra 40 hatramin’ny 90 mm ao anatin’ny 24 ora any amin’ny faritra sasany. Nandefa filazana fampitandremana momba ny habetsahan’ny rotsakorana ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Nanan-kery omaly ho an’ny faritra Analamanga, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana izany ary manomboka anio sy rahampitso kosa ho an’ny faritra Sofia, Diana, ny tapany avaratr’i Alaotra Mangoro, ny ilany atsinanan’i Betsiboka ary manamorona ny morontsirak’i Boeny sy Melaky ary Marovoay.
Ahina hanakorontana ny asa aman-draharaha andavanandro sy ny fiandronan’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka izany. Eo koa ny fiakaran’ny renirano ka tokony ho mailo ny rehetra, indrindra ireo monina amin’ny faritra iva.
Faritra voakasika amin’ny filazana fampitandremana miloko mavo i Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Filazana fampitandremana miloko maitso ny faritra Analamanga, Sofia, Diana, Atsinanana, ny tapany Avaratr’i Alaotra Mangoro, ny ilany Atsinanan’i Betsiboka, manamorona ny morontsirak’i Boeny sy Melaky ary Marovoay.
Vonjy