15 ny EPP (EPP Andavamamba, Anosipatrana, Analakely, Amboditsiry…) ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra tokony ho nohavaozin’ny orinasa Canal 7. Tafiditra anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa natao sonia ny volana septambra 2016 miaraka amin’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena. Io ny fanazavan’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Tsy niroso tamin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa ireo anefa ny orinasa hatramin’izao no sady tsy nampitaovana azy ireo. Ankoatra izay, raha zohina ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta, tsy nanaja ny voarakitra ny orinasa satria nampanofa ny amphithéâtre tamin’ny antokom-pinoana hanaovana hetsika sy nanome fahazoan-dalàna ireo antoko politika hampiasa ny fotodrafitrasa. Vokatr’ireo tsy fanarahana ny sonia nifanaovana ireo no nanosika ny tomponandraikitry ny minisitera hanapaka ny fiaraha-miasa. Nandefa taratasy tamin’ny mpitantana ny orinasa ny minisitera ny volana oktobra 2023 fa tapaka ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta ka tokony hiala eo amin’ ny toerana misy ny amphithéâtre izy ireo.
Efa nirosoana ny fanalana ny entana samihafa sy ny mpiasan’ny orinasa tamin’ity herinandro ity niaraka tamin’ ny vadintany.
Vonjy