Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, ny ivontoerana fandraisana ireo olona manana fahasembanana sy zokiolona ao Moramanga. Tsy tokony hisy ny fanavakavahana sy ny fanilikihana eo amin’ny samy mpiara-belona. Samy manana ny anjara toerany eo anivon’ny fiarahamonina ny rehetra, hoy ny filoha.
Tanjona ny hisian’ny fitovian-jo eo amin’ireo sokajin’olona marefo. Misy ny toerana afaka mandray an-tanana azy ireo raha sedra marary. Ao koa ny efitrano lehibe fivoriana sy ahafahana mifanakalo hevitra amin’ny alalan’ny fikambanana misy azy tsirairay avy. Ankoatra izay, ny efitrano famakiam-boky sy fialana voly ho an’ireo manana fahasembanana sy ny zokiolona.
Nanazava ny talem-paritry ny Mponina sy ny firaisankina, Andriamahazo Tafika Nanaharilalaina Hasinavalona, fa miara-miasa ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny minisiteran’ny Mponina amin’ny fikarakarana ny fahasalaman’izy ireo. Misy ny toerana natokana ho an’ny dokotera hikarakara mivantana ireo mivezivezy ao amin’ity ivontoerana ity. Alefa avy hatrany eny amin’ny tobim-pahasalamana kosa raha tsy vita ao an-toerana izany.
Hampivondrona ireo sokajin’olona marefo ao anatin’ny fikambanana no tanjona . Hanampy amin’ny firaisankina, ahafahana misitraka fanampiana ihany koa ny fisian’ny ivontoerana.
Tatiana A