“Can 2024” : hanala vela sy hanao valinady amin’i Nigeria i Côte d’Ivoire

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024). Hamarana izany ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Voromaherin’i Nigeria.

Hifantoka ao amin’ny kianja Alassane Ouat­tara ny sain’ny rehetra, indrindra fa ny mpankafy baolina kitra amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho fantatra rahampitso alahady mantsy izay handrombaka ny amboara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2024). Hiady izany, ny Elefantan’i Côte d’Ivoire sy ny Voromahe­rin’i Nigeria. Ala vela ny fihaonan’ny roa tonta satria ekipa niaraka nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona. Hanao valinady sy hanala vela amin’ ity ny Ivoarianina.
Manantombo aloha ny Elefanta, noho izy ireo hilalao eo an-jaridainany sy manoloana ireo mpanohana azy. Raha ara-taratasy kosa mihoatra kely amin-dry zalahy ny Ni­zerianina. Hangotraka tokoa, araka izany, ity famaranana ity. Diso mifankahalala tsara mantsy ny andaniny sy ny ankilany ka heverin’ny rehetra fa lalaon’ny mpanazatra no hitranga. Hiankina amin’ny taktika apetrak’izy ireo mantsy ny ho fizotran’ny fihaonana eny ambony kianja.
Na izany aza, mipetraka any amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tsindry sy ny vesatra amin’ity. Mbola mitoetra ao amin’izy ireo mantsy ilay faharesena tany amin’ny von­drona.
Heverin’ny rehetra fa mety ho tonga hatrany amin’ny fandakana ny “tirs au but”, ity fama­ranana ity.
Hiady ny laharana faha­telo, ho an’ny medaly alimo amin’ity sabotsy ity, ny Bafana Bafana Afrika Atsimo sy ny Leopards-n’ny RD Congo. Famaranana kely hisehoan’ny fihaonana miady ihany koa ny an’ny roa tonta. Raha tsiahi­vina, efa tamin’ny 2014 ny fihaonan’ny roa tonta farany, nandritra ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2015”, ka nivoaka ho mpandresy tamin’izany ny Bafana Bafana.

Tompondaka

Partager sur: