Anisan’ny manana anjara amin’ny fotodrafitrasa notokanana tany Moramanga, omaly, ny tanora mpanao fanatanjahantena. Kianja syntetika mahazaka mpijery 1 000 no notokanan’ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja. Nambaran’ny minisitra fa antoky ny fahombiazan’ny atleta ny fananana fotodrafitrasa tsara sy manara-penitra. Porofon’izany ny vokatra tsara azon’ ny Malagasy mpanao fanatanjahantena tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maro, raha tsy hiteny afa-tsy ny tamin’ny lalaon’ny Nosy sy ny lalaon’ny Frankofonia. Mbola hiatrika ny lalao afrikanina, izay hatao any Ghana, ny Malagasy atleta, ny volana marsa izao. Eo ihany koa ny lalao Olympika hatao
any Paris, ny volana aogositra. Zava-dehibe, araka izany, ny fananganana fotodrafitrasa toy izao, hoy hatrany ny minisitra, ahafahan’ny atleta manoman-tena ao anatin’ny fepetra tsara. Tafiditra indrindra amin’ny velirano faha-13 an’ny filoham-pirenena ihany koa ny fananganana kianja manara-penitra, hamerenana ny hambompom-pirenena, amin’ny alalan’ny tanora sy ny fanatanjahantena.
Mi.Raz