Hotanterahina anio sy rahampitso ny andro voalohany ho an’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Foot-ball League (PFL)”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo klioba vao niakatra teo amin’ity fifanintsanana ity ny Inate FC Rouge Vakinankaratra. “Tsy hitsanga-menatra ny Inate FC Rouge amin’ity PFL ity”, hoy Rakotondramiara Hasina, filohan’ny klioba, omaly, teny Ambohimanambola.
Tanjona ho azy ireo ny tsy hivarinany any amin’ny diviziona faharoa ary hiezaka ny ho tompondaka amin’ny “PFL 2024”. Ny ekipan’ny Dato FC no hifanandrina amin’izy ireo, ny alahady ho avy izao, eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus. Nomarihin’ity filoha ity fa tsy novidian’izy ireo ny klioba Inate FC Vakinankaratra. Araka ny fanazavana nomeny, nitambatra ho iray ny FC Rouge sy ny Inate FC, taorian’ny fifanarahana nataony sy ny lehiben’ity ekipan’i Vakinankaratra ity. Ireo mpilalaon’ ny FC Rouge sy ny Inate FC no mandrafitra ny Inate FC Rouge.
Tsiahivina fa ny ekipan’ny FC Rouge no tompondakan’ ny ligin’Analamanga, taona 2023. Tompon’ny amboara lefitra tamin’ny diviziona faharoa nasionaly ny Inate Vakinankaratra, ny taom-pilalaovana farany teo.
Fitia Randria