Nifampitaona tamin’ny mpankafy azy tetsy Ampefiloha ny tarika Ny Ainga, omaly. Korana sy lanonana ary fiaraha-misakafo no natao nandritra izany. Nampiavaka ny hetsika ny fisantarana sahady ny fankalazan’ny tarika ny jobily faha-30 niakaran’izy ireo an-tsehatra. Teo ihany koa ny fifankahitan’izy ireo tamin’ny mpankafy.
Nanolotra atrikasa ara-javakanto sy ara-kolontsaina ho an’ny mpankafy azy, ny Alliance francaise d’Antananarivo tetsy Andavamamba, afakomaly. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: «L’AFT s’affiche». Nahitana ny karazana dihy isan-karazany, seho an-tsehatra, fampisehoana jazz…
Nifarana omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny fampirantiana ny sary hosodokon’i Mariam Amyra. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Fun ad Flow” ny hetsika. Namboarina tamin’ny alalan’ny tanimena sy fasika ary tanimanga ireo sary novokariny hita teny an-toerana.
Niavaka ny atrikasa sy fampisehoana slam tetsy amin’ny Cercle Germano Malagasy, omaly. Hetsika nokarakarain’ny Madagaslam, sampana Antananarivo. Nisy ny fifampizarana traikefa teo amin’ny mpikarakara sy ny mpankafy, momba ny famoronana poezia. Teo ihany koa ny fahafahan’ny rehetra niakatra an-tsehatra.