Miezaka ny ho matihanina ny klioba Mama. Amin’izao fotoana izao, manana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ho azy manokana izy ireo. Kianja ho an’ny baolina kitra sy tsipy kanetibe ary nanangana «Academie de foot » ho an’ny kilonga ihany koa.
Anisan’ireo klioba manana ny «centre sportif » ho azy manokana ankehitriny ny Mama FC. Hita eny Imerintsiatosika izany, misy kianja ho an’ny baolina kitra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary efa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny federasiona malagasy sy ny Club de football élite de Madagascar (CFEM). Afaka handray ny lalao fifanintsanana amin’ny Pureplay Football League (PFL). Ahitana trano lehibe misy «vestiaire» sy efitra ho an’ny mpitsara izany ivontoerana izany. Misy toeram-pivoriana sy fanaovana fampivondronana ary fisakafoana.
Eo koa ny fotodrafitrasa ho an’ny tsipy kanetibe, izay efa nampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ny taona 2023. Nambaran-dRakotoarijaona Julien, filohan’ny klioba fa 8 volana ny nanaovana ny kianja ka tafiditra ao anatin’ny tsangam-baton’ny faha-55 taonan’ny Mama. Vy nahitana sy angady nananana izany, Ranirimanga Sabine, tale jeneraly manohana ary manampy ny fanatanjahantena eo anivon’ny tranom-piantohana Mama. Tsiahivina fa anisan’ireo miatrika ny Pureplay Football League ny Mama FC. Manazatra ny ekipa ny Me Careca sy i Jim. «Raha ny tanjona, handrombaka ny tompondaka. Na izany aza, hiezaka hanatsara ny vokatra efa vita», hoy i Careca mpanazatra. Miara-miasa amin’ny Nino ny Mama FC, amin’ny fampitaovana ny mpilalao.
MAMA Academie
Tsy mihanona fotsiny amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa ny mpitantana fa nanangana ny MAMA Academie, mitaiza ireo kilongakely 7 hatramin’ny 15 taona, miisa 200 mianadahy. Mbola ireo ankizy ao Imerintsiatosika aloha no misitraka izany fa hisokatra amin’ireo ankizy maniry hianatra baolina kitra ao aminy, atsy ho atsy. Ny alarobia hariva sy sabotsy maraina ny fampianarana, ka misahana izany ireo mpanazatra 6 mirahalahy. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo, ny Mama Académie, ka nanasana ireo sekolin’ny baolina kitra avy aty Antananarivo. Nanatrika ny fotoana ny Me Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea, izay nidera ny ezaka ataon’ny Mama FC. «Raha manao toy izao avokoa ireo klioba rehetra, mino aho fa tsy ho ela dia hisongadina aty Afrika ireo Malagasy mpilalao», hoy izy.
Torcelin