Tenisy – « J200 Cairo » : Laharana fahatelo i Voavy Mitia

Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana « J200 Cairo » izay natao tany le Caire Egypte. Nandrombaka ny medaly alimo i Madagasikara.

Nifarana ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “J200 Cairo”, taranja tenisy, sokajy “junior”, lahy sy vavy, izay natao tany le Caire Egypte, ny 5-10 febroary. Nandrombaka ny medaly alimo tamin’ity fifanintsanana ity ilay Malagasy vehivavy mpilalao, Andraina Voavy Mitia, tamin’ny lalao ho an’olon-tokana. Resiny tamin’ny seta 2 no ho 0 (5,3/4,2) ilay egyptianina, Karina Mohamed.
Tsiahivina fa nahintsan’ilay maraokanina, Malak El Allami, seta 2 no ho 0 (6,1/6,0), i Mitia Voavy, nandritra ny manasa-dalana, natao ny zoma lasa teo. Marihina fa ity maraokanina ity no tompondaka tamin’ity “J200 Cairo 2024” ity. Resin’ity solontenan’i Madagasikara, tamin’ny seta 2 no ho 1 (6,3/3,6/ 6,4) ilay teratany tonizianina, Ranim Rassil, teo amin’ny ampahefa-dalana. Ny alarobia lasa teo, lavon’i Mitia Voavy tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,3/6,0) ilay maraokanina, Nour El Ouazzani, nandritra ny dingana faharoan’ny fifanintsanana. Lavon’ity Malagasy « tennis woman » ity, tamin’ny seta 2 no ho 0 (6,4/7,6) i Africa Burillo Berezak, teratany espaniola, nandritra ny dingana voalohany.
Araka izany, i Mitia irery no Malagasy mpilalao tafita lavitra indrindra tamin’ny “J200 Cairo”. Tsara marihina fa miisa efatra ireo solontenan’i Madagasikara tamin’ity. Ry Mitia Voavy sy i Voaviandraina Harena, ny an’ny sokajy vehivavy. Rakotomalala Mahefa Anthony sy Andriantefihasina Mirija, ny lehilahy. Tsara ny mampahafantatra fa resy teo amin’ny dingana voalohany avokoa ny Malagasy mpilalao, lahy sy vavy, lalao ho an’olon-droa.

Fitia Randria

Partager sur: