Fikambanana mampiely Baiboly malagasy : handika ny Baiboly amin’ny teny tanana

Nomarihina, omaly, teny amin’ny fiangonana FLM Ambatovinaky, ny Alahadin’ny Baiboly miaraka amin’ny Fikambanana mampiely Baiboly malagasy (FMBM).

Fotoana nahatsiarovan’ny rehetra ny fikambanana koa ny fotoana na ara-bavaka na ara-bola na amin’ny fanomezana tohana samihafa. Manana antom-pisiany efatra ny fikambanana: voalohany ny fandikana ny Soratra Masina amin’ny fiteny azon’ny olona, eo koa ny famokarana ny Soratra Masina amin’ny endriny ilain’ny olona. Ma­nampy ireo ny fampielezana ny Soratra Masina amin’ny vidiny takatry ny rehetra ary farany ny fampiofanana sy fanentanana amin’ny fandinihana ny fampiasana ny So­ratra Masina. Vinan’ny fikambanana ny hoe : “i Mada­gasikara heniky ny fahalalana an’i Kristy amin’ny alalan’ny Soratra Masina”.

Niara-niombona tamin’ny Fikambanana mampiely Bai­boly malagasy ny rehetra, ny tapany hariva omaly. Niavaka ny fotoana satria nisy ny fanazavana ny lohahevitry ny fikambanana amin’ity taona ity : “Teny velona, rano velona”. Nampahafantarina voalohany ho an’ny mpanatrika koa ny tetikasa vaovao vokarin’ny fikambanana miantefa amin’ny rehetra na kristianina izy na tsia : Baiboly an-tsaina. Noza­raina tao ny fanatanterahana azy sy ny endriny ary ny tanjona tiana hotratrarina momba izany, araka ny fanazavan’ny mpiandraikitra ny serasera ao amin’ny fikambanana, An­drianambinintsoa Hasina.
Efa mirona amin’ny tetikasa fandikana Baiboly amin’ny teny tanana koa ny fikambanana izay iarahana amin’ny olona ao amin’ny Akama. Nadika tamin’ny tenin’ny tanana avokoa ny fotoam-pivavahana rehetra mandritra ny Alahadin’ny Baiboly ho fisantarana ny fiaraha-miasa. Na­nafana ny fiderana an’An­driamanitra, nandritra ny hetsika rehetra, ny antokom-pihira Hosana Ambohijatovo Fitiavana, KT Ambatovinaky, tarika Lovatiana…

Vonjy

Partager sur: