Mandritra ny rotsakorana be: tokony hialana ny trano efa ahina hirodana

Tokantrano 15 ao amin’ny fokontany Avaratetezana, kaominina Ampitatafika, no traboina ka voatery mipetraka ao amin’ny toerana fandraisana traboina vonjimaika ao amin’ny FJKOMAF, noho ny fiakaran’ny ranon’i Sisaony. Nizarana vary sy tsaramaso ary menaka ho fanampiana azy ireo tokantrano 15 ahitana olona 57 izay ankizy no maro anisa.
Samy nahazo vary 12,5 kg, tsaramaso 5 kg ary menaka 1 litatra avy ny isan-tokantrano. Natrehin’ny sefo fokontany Avaratetezana, ny solontenan’ny kaominina ary ny tomponandraikitra avy ao anivon’ny BNGRC ny fizarana hipaka mivantana eny amin’ny mpisitraka. Nisy ny fanentanana sy fampahafantarana ireo traboina ny fihetsika tokony hatao rehefa misy ny loza, niarahana tamin’ny ekipan’ny BNGRC.
Momba ny faharavan’ny trano fonenana, toy ny nitranga teny Ambohidratrimo, ka namoizana aina. Manentana ny rehetra ny tale jeneralin’ny BNGRC fa raha misy ny ahiahy amin’ny trano fonenana mandritra ny rotsakorana be, tokony tsy ho sakana hialana ao ny fieritreretana hoe: aiza ny toerana hifindrana? Efa nametraka toeram-pandraisana ireo olona voatery mifindra monina ny fanjakana ka efa mahafantatra ny fepetra ny sefo fokontany. Ny sakafo kosa tsy hiantohana raha tsy mbola traboina izy ireo. Afaka mangataka ny Corps de protection civile sy ny Sampana mpamonjy voina koa ireo manana trano ahina hitera-doza handrodana izany, araka ny fepetra.

Vonjy

Partager sur: