Namboly hazo teny amin’ny kaominina Ambalavao Atsimondrano ny tily Mpanazava eto Analamanga, ny sabotsy 10 febroary teo. Hetsika fanaon’izy ireo isan-taona izany, ka samy nanatanteraka ny azy daholo ny isam-paritra eto amintsika. Lohahevitra noraisina, tamin’ity taona ity, ny «Fiovan’ny toetr’ andro».
Nahazo fitaovam-panjonoana ny mpanjono sy ny vadina mpanjono any Antsatrana, kaominina Bemaranja, distrika Ambilobe. Anisan’izany ny vata «glacière», salotra vonjy aina, akanjo fentina anaty rano, sns. Avy amin’ny orinasa Réfrigérateur pêche ouest ireo fitaovana ireo, miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka WWF, ary natolotry ny minisiteran’ny Jono.
Nampahafantarina ny mpiasan’ny ladoany ny hetsika hiatrehana ny mety hidiran’ny valanaretina Choléra eto Madagasikara. Ilaina ny fandraisana fepetra manokana amin’ny maha varavarana fidirana ny fadin-tseranana. Nisy koa ny fepetra napetraka isaky ny birao, hiarovana ny mpiasa (aro tava, gél, SRO, sns) sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
Natao ny 9 febroary teo, ny fivoriamben’ny Filankevitry ny telo tonta ho an’ny asa an-dranomasina (CNTTM). Mivondrona ao anatin’ity vovonana ity ny sampandraharam-panjakana, ny fikambanan’ny mpampiasa ary ny sendikàn’ny mpiasa an-dranomasina. Ankatoavin’ny fikambanana iraisam–pirenena OIT ny CNTTM.