Inspektera eo anivon’ny polisim-pirenena miisa 219 nahatontosa fianianana tetsy amin’ny fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy, omaly. Misahana manokana ny famotorana ny fandikan-dalàna izy ireo. Hiroso amin’ny asa avy hatrany izy ireo taorian’io lanonam-pitsarana io.
Nalain’ny dahalo avokoa ny nofon’omby rehetra ary nariany teny an-dalana ny toalany ka hitan’ny fokonolona tao Antamboho II, distrikan’Imerintsiatosika, ny faran’ny herinandro teo. Nalain’ireo olon-dratsy tao amin’ny kaominina Morarano Antongona io omby io.
Jiolahy mpandroba taksibrosy mandalo amin’ny RN6 voasambotry ny fokonolona tao Ambondromamy, afakomaly. Mpandroba ireo fiara mivezivezy amin’io lalam-pirenena io ity olon-dratsy tratra ity. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy. Nentin’ny zandary natao famotorana ity farany.
Tratran’ny zandary nanao sakana tao Tsinjony, omaly tamin’ny 1ora sy 30 mn maraina, ny fiara Sprinter Fourgon iray. Nilaza ny mpamily fa hoe fonosan’entana no nentiny. Niroso tamin’ny fisavana ny zandary ka hita tao ny zanaka baobab. Nilaza rahateo ny mpamily fa fantany tsara fa voarara ny fitondrana ity zavaboahary ity ka nahatonga azy hanafina azy ireo.