Nisy ny fihaonana teo amin’ Andriantsitohaina Naina, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, sy i Claire Pierangelo, masoivohon’i Etazonia, ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny famelomana indray ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta eo amin’ny fiarovana ny tany sy fanavaozana ny fananan-tany no votoatin-dresaka tamin’izany.
“Be kajikajy politika loatra ny mpitondra”, hoy ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Tim, Razafimanantsoa Hanitra, momba ny fiatrehana fifidianana. Teo ny nakan’ny Praiminisitra ny hevitry ny HCC momba ireo ben’ny Tanàna tapitra fe-potoam-piasana; ny fandinihana sy fandaniana ny fanitsiana ny lalàna momba ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, izay lalàna fehizoro ka tsy voahaja ny fe-potoana nanolorana azy.
“Mila faranana ny tolona nataon’ireo mpiray tanindrazana mba tsy ho very maina” hoy ny avy amin’ny Raiamandreny ara-drazana. Very maina ihany ny tolona nataon’ny mpiray tanindrazana, raha toa ka tsy faranana ny tolona ho an’ny fanavotam-pirenena, indrindra amin’izao zava-misy ankehitriny izao, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
“Marary ny demokrasia sy ny fahalalahana, voahosihosy ny fiandrianam-pirenena, tsy voahaja ny lalàna sy ny Lalàmpanorenana”, hoy Rajaonarimampianina Hery, filoham-pirenena teo aloha. Hitohy amin’ny endriny maro ny tolona hiverenan’ny fitoniana sy fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, hoy hatrany ity filoha teo aloha ity.