Natao omaly ny famindram-pitantanana ao
amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy, ny Mpandrindra ankapobeny ny tetikasa, ao amin’ny vondrona mpandrindra ny tetikasa ao amin’ity departemanta ity. Mitana izany andraikitra izany indray izao, Rtoa Rajaonarivo Lalao Mbolatiana, nisolo an-dRtoa Rasolondraibe Elza Hantasoa.
Tafapetraka any Jangoa, kaominina sady distrika Ambanja, ny toerana fitahirizana hazandranomasina. Fotodrafitrasa hampiroboroboana ny jono any an-toerana. Tombontsoa lehibe ho an’ity toby ity ny fisian’ny fitoerana vata mangatsiaka, ahafahana mitahiry ny hazandrano, ka hampiakatra ny fidiram-bolan’ny mpisehatra amin’ny jono any an-toerana.
Nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana, Fontaine Max, omaly, fa antoky ny fahombiazana ny firaisankina sy ny fahaizana miara-miasa. Nandritra ny fitsidihany sady nanangan-tsaina ny alatsinainy 12 febroary teo no nilazany izany.