Nitady vahaolana momba ny fanararaotana mamoafady amin’ny internet mianjady amin’ireo ankizy sy tanora ireo tomponandraikitra mahefa.
Nitarika ny dinika momba ny ady amin’ny fanararaotana mamoafady mahazo ny ankizy sy ny tanora amin’ny alalan’ny internet eto Madagasikara ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Steaphie Arnold, ny faran’ny herinandro teo.
Maro ireo tanora tsy mahafehy ny fampiasana ny internet sy ny tambajotra sosialy ka iharan’ny herisetra amin’ny endriny maro. Lasibatra amin’ny fanararaotana mamoafady mihitsy ny sasany rehefa mivaona ny fampiasana izany.
Anisan’ny votoatin-dresaka nandritra ny dinika ireo endrika isehoan’ny fanararaotana mamoafady mianjady amin’ny ankizy. Miitatra any amin’ny fivarotan-tena izany ho an’ny sasany na fanaparitahana sary mamoafady. Hatramin’ny fanamboarana ny sarin’ireo ankizy na tanora
ho amidy amina tambazotra mihitsy aza ny fanararaotana.
Noresahina koa ny paikady ahafahana misoroka izany sy miaro ireo iharan’ny fanararaotana. Eo indrindra koa ireo paikady fanaovana fanadihadiana sy hanenjehana ireo mpanararaotra izay tsy mbola tena mivoitra raha ny vokatra eto amintsika.
Ny sampandraharahan’ny departemantam-panjakana misahana ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ny famarinan’olona no namatsy vola ny hetsika niarahan’ny masoivoho amerikanina sy ny ECPAT Madagascar. Teo ireo solontena avy amin’ny governemanta malagasy, ny mpitandro filaminana, ny matihanina amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanabe, ary ireo mpisehatra fototra amin’ny ady amin’ny famarinan’olona eto Madagasikara.
Ilaina ny fanentanana sy fiofanana ary mila hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpisehatra isan-tsokajiny voakasika amin’ny ady amin’ny famarinan’olona.
Tatiana A