Natsahatra aloha ny fandraisana anaran’olona maniry hisitraka fitsaboana sy fandidiana ao amin’ny sambo lehibe “Merci Ships”, izay miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina efa hatramin’ny 1 febroary lasa teo. 12 andro aty aoriana, tsy misy ny fandraisana anaran’olona ary najanona ihany koa ireo efa natao nialoha ny volana oktobra 2023. Hatramin’ny nahatongavan’ny sambo, efa an-jatony maro ny olona mivezivezy etsy amin’ny hopitaly manara-penitra, isan’ andro. Mihevitra izy ireo ny hisoratra anarana mba hisitraka ny fitsaboana.
Vokany, niantso an-tariby ny talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ny mpanao gazety ao an-toerana hakana loharanom-baovao. Nambaran’ny tomponandraikitra fa amin’
ity herinandro ity ny filazana ofisialy momba izany. Nilaza kosa ny ben’ny Tanàna fa mbola miankina amin’ny fampitaovana sy fotodrafitrasa handraisana ny marary no antony.
Sajo