Nosantarina ny 22 janoary lasa teo ary hifarana ny 5 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny anivon’ny Lycée teknika na ivontoeram-panofanana teknika ho an’ny taom-pianarana 2024-2025, araka ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hotanterahina ny 20 sy 21 jona ny fanadinanana momba izay. Ny 1 jolay ho avy izao kosa ny fanombohan’ny fandraisana ny antontan-taratasy hifaninanana hidirana hahazoana ny mari-pahaizana «Certificat d’aptitude professionnelle spécialisée» (Caps). Hikatona ny 30 aogositra ny fisoratana anarana ary hatao ny 17 sy 18 septambra ho avy izao ny fanadinana.
Samy nanomboka omaly avokoa ny fisoratana anarana ho an’ny mpifaninana amin’ny fahazoana ny diplaoma «Brevet d’étude professionnelle» (BEP) sy ny «Certificat de fin d’apprentissage» (CFA) ary ny «Certificat d’aptitude professionnelle». Hifarana ny 26 avrily ny fandraisana ny antontan-taratasy. Hotanterahina ny 1 ka hatramin’ny 4 jolay ny fanadinana voalohany. 1 ka hatramin’ny 3 jolay ho an’ny faharoa, ny 8 ka hatramin’ny 11 jolay ho an’ny fahatelo. Ny 17 jona ka hatramin’ny 12 jolay ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinana ahazoana ny «Certificat d’aptitude professionnelle spécialisée» ary hifarana ny 12 jolay. Hotontosaina ny 5 ka hatramin’ny 9 aogositra ny fanadinana.
Ao anatin’ny fiatrehana ny telo volana faharoa ny mpianatra eny anivon’ny lycée teknika amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny 8 janoary teo izany ary haharitra hatramin’ny 22 marsa ho avy izao.
Vonjy