Hankalazaina ny 21 feboary ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny. Hisy hetsika ara-tsiansa karakarain’ny ivontoeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary olona eny anivon’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary ny siansa maha olona, oniversiten’Antananarivo. Ny lohahevitra hoe “teny malagasy ahefan-draharaha” no hifampizarana ao amin’ny Amphi ehibe EGS DSP Ankatso.
Nitsidika ny oniversiten’i Toliara, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Dr Razafiharison Andriamanantena. Nihaona tamin’ireo solontenan’ny mpianatra izy, nihaino ny hetahetan’izy ireo momba ny tontolon’ny fianarana sy ny fonenana. Fanamby lehibe napetraky ny minisitra ny hijerena manokana ny fomba ahafahana manome fanofanana ireo mpampianatra sy ny fampitaovana ary ny fanatsarana ny fotodrafitrasa.
Nomarihina omaly ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny androbe. Fanentanana mandritra ny herinandro no hanehoana izany eto Madagasikara. “Ndao, resena ny androbe”, io no lohahevitra ho an’ity taona 2024 ity. Azo tsaboina tsara eny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB II) ity aretina ity ary afaka miaina toy ny olon-drehetra izay voan’izany aorian’ny fandraisana an-tanana.
Olona miisa 720 920 sy tokantrano 170 013 no nahazo ny famafazana fanafody sy voaaro amin’ny tazomoka tamin’ny taona 2023, tao amin’ny distrikan’ Ankazoabo, Taolagnaro, Isandra, Iakora, Ivohibe. Natao tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony ny tomban’asa ka hita fa nahomby.