Fantatra ny daty sy ny toerana ofisialy hanatanterahana ny fifaninanana nasionaly, fanao isan-taona, eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires). Ny 18 hatramin’ny 30 aogositra 2024 no hanaovana izany, any Diego. Marihina fa niova io toerana io, raha toa ka any Nosy Be no nokasaina hanatontosana ity fifaninanana ity. Mahakasika ny fisoratana anarana kosa, hatramin’ny 31 mai izao ny fara-fandraisana izany. Efa eo am-panatanterahana ny fifaninanana avokoa ankehitriny ny isam-paritra hanomanana ity «Asief 2024”, hatao any Diego ity. Nambaran’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love), fa manohana ny mpiasam-panjakana hatrany ny Praiminisitra izay notolorany fisaorana. Hampiavaka ity andiany ity ny hisian’ny lalao basikety hifanandrinan’ny Olobe sy ny Asief. Nanentana ny biraon’ny Asief, araka izany, ny filoha, Jhone Love, mba hiomana tsara satria izay mpilalao mendrika no handrafitra ny ekipa. Manantena ihany koa ity filoha ity fa ho maro ny andrimpanjakana sy minisitera handray anjara, ho avy any Diego.
Mi.Raz