“Can 2023” : Tompondaka ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

Taorian’ny nandromba­han’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2023), nomen’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf) azy ireo, ny lelavola 6,4 tapitrisa euros, ankoatra ny amboara sy ny medaly volamena. Tsiahivina fa nifarana ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja Alasane Ouattara, ny andiany faha-34. Lavon’ny Elefanta, tamin’ny isa tery 2 no ho 1 ny Voromaherin’i Nigeria.
3, 6 euros ny an’ny Super Eagels Nigeria, raha 2, 2 tapitrisa euros avy ho an’ireo 4 tonga teo amin’ny manasa-dalana. 1, 1 tapitrisa euros ny an’ireo 8 niatrika ny ampahefa-dalana.
Fanintelony ny nahazoan’i Côte d’Ivoire ny amboaran’i Afrika, taorian’ny taona 1992 sy 2015. Anisan’ireo firenena 8 nandray ny Can ka tsy namoaka ny amboara tao aminy i Côte d’Ivoire. Efa nahavita izany, ny Faraonan’i Egypte, ny taona 1959 sy 1986 ary 2006. Teo koa i Ethiopie (1962), ny Black Star Ghana (1963, 1978), ny Super Eagels Nigeria (1980), i Algerie (1990), Afrika Atsimo (1996), Tunisie (2004).

Tompondaka

Ireo mendrika nandritra ny “Can 2023”

– Mpampidi-baolina be indrindra : Emilio Nsue (Guinée Equatoriale)
– Mpiandry tsatoby mendrika : Ronwen Williams (Afrika Atsimo)
– Tanora mpilalao mendrika: Simon Adingra (Côte d’Ivoire)
– Mpanazatra mendrika : Émerse Faé (Côte d’Ivoire)
– Loka «Fair-play» : Afrika Atsimo

Partager sur: