Mihanaka hatrany amin’ny kaominina Ambatry, distrikan’i Betioky Atsimo, ilay biby tsy fantatra mihinana biby fiompy, toy ny ondry aman’osy hatramin’ny omby. Lasibatra indray ny ondry roa, maty notsihifin’ilay biby ny rany ary loaka hatramin’ny tendan’ireo biby fiompy.
Manoloana ny firongatry ny herisetra samihafa manerana ny Nosy, nanomboka omaly, tao amin’ny biraon’ny kaominina Fianarantsoa, ny varavarana misokatra ataon’ny polisy BFP « Brigade féminine de proximité ». Miompana amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy izany.
Roa lahy mpamboly rongony tratran’ny zandary tao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Mpamatsy rongony sady mamboly io karazan-java-mahadomelina io izy roa ireto. Lasibatra amin’io fivarotana rongony io ireo mpianatra.
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny zandary iray nanolan-jaza folo taona tao Miandrivazo, ny faran’ny herinandro teo. Nisotrosotro io zandary io ka nampihatra ny herisetra tamin’ilay zaza taorian’izay. Nandositra izy rehefa vita ny filan-dratsiny. Tsikaritry ny manodidina ny fihetsika mamoafady nataony ka nosamborina izy.
Voasambotry ny fokonolona ny lehiben’ny mpangarom-paosy tao Ankirihiry, Toamasina, omaly. Tratran’ny polisy teo am-panendahana poketrana mpandeha taksiborosy izy. Matetika voasambotra saingy afaka hatrany ity mpangarom-paosy ity.