FANTINA sy FINTINA

Notendren’ny papa Fransoa ho evekan’ny diozen’i Morombe, afakomaly, ny pretra diosezianina avy any Toliara, monpera Razafinirina Jean-Désiré. Mpanabe tao amin’ny seminera zokiny, Vohitsoa Fianarantsoa, izay seminera iombonan’ny arsidiosezy, Atsimo Atsinanana sy Atsimo Andrefana, izy, ny taona 2013. Rektoran’izany izy tamin’ny taona 2017 hatramin’izao nanendrena azy izao.

Tafakatra 11 421 765 ny voasoratra anarana amin’izao fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy izao, raha 11 043 836 izany tamin’ny fanavaozana tanteraka tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika teo, araka ny tatitry ny Ceni, teny Alarobia, afakomaly. Niampy 377 929 izany ny isan’ny mpifidy. Nihoatra ny vina izany taham-pitomboana izany, raha 2,50 % dia tafakatra 3,42%.

Tsy amin’ity taona ity ny fifidianana izay hitantana ny faritra sy ny fifidianana izay hitondra ny faritany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, taorian’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, teny Alarobia, afakomaly. Mila vola ny fanatanterahana fifidianana. Nefa ny fifidianana depiote sy ny kaominaly ihany no ao amin’ny tetibola 2024. Tsy voafaritra koa ny momba an’ireo fifidianana roa ireo.

Mandray anjara amin’ny fihaonambe ”Woman, Peace and Security”, karakarain’ny Ma­soivoho Amerikanina, i Madagasikara. Tanjona amin’izao ny fampidirana ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny filaminana sy fandriam-pahalemana. Ankoatran’i Madagasikara. Mandray anjara amin’izao ihany koa i Ouganda, Seychelles, Mozambika ary Somalie.

Partager sur: