Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra ara-bola misahana ny fahasalamam-bahoaka mifandraika amin’ireo fandaharanasa telo, ny tiberkilaozy, ny tazo ary ny VIH/Sida. Tanjona ny hikatsahana hatrany ny fahombiazan’ireo faritra hiasan’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena (fond mondial).
Hiompana amin’ny karazan-tsakafo sahaza ireo olona diabetika indray ny fampianarana hatao eny amin’ny Amadia faravohitra, ny sabotsy izao. Maro ireo olona diabetika tsy mahafantatra na manahy amin’ny sakafo tokony hohaniny sao mampiakatra ny tahan’ny siramamy ka mety hitera-doza.
Nanome tantsoroka ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ilay tetikasa “Fanohanana ny fiharenan’ny fianakaviana traboina sy nifindra monina vonjimaika noho ny rivodoza Batsirai sy Emnati” ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina. Fandaharanasa vatsian’ny governemanta Japoney vola.
Ho fijerena ny momba ny fandrindrana ny fiainana ara-pananahan’ny mpianatra, 1855 izy ireo no nentanina tao amin’ny kianjan’ny Seraseran’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Tanjona ny handraisan’ny mpianatra an-tanana sahady ny fiainana ara-pitiavany mba tsy ho sakana amin’ny famitany ny fianarana hatramin’ny farany ny vohoka tsy niriana.