SOMBIM-BAOVAO

Mitazona ny laharana voalohany hatrany ny GNVB vehivavy amin’ny fifaninanan’Analamanga, taranja volley-ball. Lavon’izy ireo tamin’ny seta 3 no ho 1 ny ekipan’ny Squad 1, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsara ho fantatra fa tsy mbola resy mihitsy ireto ekipan’ny zandarimariam-pirenena ireto.

Notontosaina nanomboka ny 10 febroary lasa teo ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligy Boeny, taranja baolina kitra. Miisa 15 eo ny klioba mandray anjara amin’izany. Nisongadina tamin’ny andro voalohany ny ekipan’ny Fosa Junior Academy. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 5 no ho 1 ny FC JTM, ny alahady lasa teo.

Nifarana ny faran’ny herinandro lasa teo ny fifaninanan’ny ligin’Atsinanana, taranja basikety 3×3, sokajy vehivavy. Ny ekipan’ny Mamba no nandrombaka ny amboara tamin’izany. Araka izany, izy ireo no solontenan’ Atsinanana amin’ny fifaninanam-paritra “de la Rue vers L’Or”, izay hatao eto Antananarivo, ny 16-18 febroary ho avy izao.

Hotanterahina ny alarobia ho avy izao, ao amin’ny kianjan’ny Parc de Prince France, ny fihaonana eo amin’ny Paris Saint Germain FC France sy ny Real Sociedad Espagne. Lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Cham­pions 2024 », taranja baolina kitra.

Partager sur: