VAOVAO TAMBATRA

Ho tratra ny vina fampidinana ny tahan’ny sondrom-bidim-piainana manodidina ny 7,6% raha tanteraka ny vina napetraka ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Misy narafitra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2024 ny ampahan’ireo vina ireo, toy ny famarinan-toeran’ny vidin-tsolika, ny famadihana ny volamena ho “or monétaire”ary ny fampiroboroboana ny vokatra anatiny.

Miisa 259 850 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara, nandritra ny taona 2023. Salanisa izay niakatra hatrany amin’ny 97%, raha oharina ny tamin’ny taona 2022. Ny volana desambra teo, nitombo ho 30 718 ny mpizahatany avy any ivelany tonga teto amintsika raha toa ka 25 319 izany ny 2019, taona nampiroborobo ny fizahantany teto Madagasikara.

Miofana mahakasika ny fitsipi-pitondran-tena ny mpiasan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), nanomboka omaly. Tanjona ny hia­diana amin’ny kolikoly sy hitandroana ny soatoavina ary ny mangarahara amin’ny fanatanterahana ny asa. Hiarahana amin’ny Bianco ny fiofanana ary hitarina any amin’ny fitantanam-paritra manerana ny Nosy.

Naverina an-dranomasina ireo fano na soka-dranomasina miisa roa, azon’ny mpanjono mpana­rato iray tany Ambodilaitra Masoala, distrika Antalaha, ny 12 febroary teo, ka nitadiavany mpividy. Biby arovana ny fano ka voarara ny fitrandrahana, ny fanaratoana ary ny fivarotana sy ny fihinanana azy.

Partager sur: