TSELATRA

Lehilahy iray tratran’ny mpitandro filaminana rehefa nangalatra aroloha an’ny mpitondra moto iray tao amin’ny fiantsonan’ny fiara anatin’ny kianja fanaovam-bolina ao By-pass, ny talata 13 febroary teo. Nentiny nandositra io fitaovana io. Voasambotra taorian’ny fikarohana azy io lehilahy io.

Noviravirain’ny mpamaky fasana indray ny taolam-balo tao Ampananina, fokontany Ankadifotsy, kaominina Mahitsy, afakomaly. Mpandalo no nahatsikaritra ny fasana efa nisokatra. Nozahan’ny tompom-pasana ny tao anatiny saingy efa nikorotana nanaovan’ireo olon-dratsy azy.

Mpanao gazety iray misy mikasa hampihorohoro ao Toamasina, faritra Atsinanana, araka ny loharanom-baovao niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera. Mpanao politika ao an-toerana ihany no maniraka «gros bras», hikaroka ny tranon’io mpanao gazety io, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Partager sur: