Tratra ny 13 febroary teo ny tovolahy iray, nivarotra varika roa tanaty tambajotra sosialy. Naterina eny amin’ny valanjavaboahary Tsimbazaza ireo varika ireo, hanaraha-maso ny fahasalamany. Niara-nisalahy ny fisamborana ilay tovolahy ny sampana miady amin’ny kolikoly, DULC, ao amin’ny minisiteran’ny Medd sy ny polisim-pirenena.
Miisa 6 mianadahy ireo niofana mikasika ny fiompiana trondro tany Ambilobe, faritra Diana, ny 12 febroary teo. Vonona avy hatrany izy ireo hanomboka ny fihariana, ary nanapa-kevitra ny hivondrona amin’ny fiompiana trondro an-dobo. Hitohy amin’ny 17 febroary ny fampiharana ny lesona azo, izay tohanan’ny fitantanam-paritra CirPEB Ambilobe hatrany.
Nahitam-pidinany ny vidim-bary eny an-tsena. Mbola mitohy ihany koa ny fanaraha-maso ny vidin’entana sy ny dingana lalovany mialoha ny hahatongavany eny amin’ny mpanjifa ihany koa ny tomponandraikitra samihafa. Jerena ny vidiny nangalana azy any ivelany sy ny fandaniana isan-tsokajiny ho an’ny vary nafarana. Atao izao hiadina amin’ny ho mety fanararaotana
Miisa 1,121 tapitrisa ireo mpandeha fiaramanidina nandritra ny taona 2023. Nandray ny sidina iraisam-pirenena ny 788 389 raha toa mpandeha ny sidina anatiny kosa ny 333 317. Ny volana jona teo, nitombo 42% ny salan’isan’ireo mpandray sidina raha oharina ny tamin’ny taona 2022. Nahitana izany fitomboana izany koa ny volana septambra sy desambra teo.