TARATRY ny KANTO

Lany avokoa ny tapakila! Izay mikasa hanatrika ilay fampisehoana “Fa ianareo roa”, hotontosain’i Njakatiana ny zoma izao, etsy amin’ny Le Pavé Anta­ninarenina, dia tsy maintsy hanova fandaharam-potoana raha toa ka tsy mbola nahazo tapakila. Nifarom­bahan’ireo maika te hihanoka ny kanto sy ny fitiavana an-kira homanin’ity mpanakanto ity mantsy ny toerana rehetra azo natolotra.
Fotoana nahafahan’ny mpifankatia nampiseho ny talentany ny hetsika tetsy amin’ny Espace Anjara Anjiamangirana, omaly hariva. Nahafahana nanao karazana fifaninana samihafa. Toy ny fampisehoana dihy vahiny sy dihy nentim-paharazana ary ny fifaninana mihira isaky ny olon-droa. Nisitraka fanomezana mari-pahatsiarovana avy amin’ny mpikarakara ny voalohany tamin’izany.
Hiavaka ny alim-pandihizana hiarahana amin’ny Davis hankalazana ny fetin’ny mpifankatia ny faran’ny herinandro izao. Hotanterahina etsy amin’ny Panama Club. Omena lanja amin’izany ny firesahana ny antony maro mahatonga ny fisarahana eo amin’ny mpifankatia. Hisy mpanohana ara-tsaina ho avy hitafa amin’ny mpifankatia eny an-toerana. Hisy fifankahafantarana ho an’ireo toka-tena ihany koa mandritra izany.
Tanterahina eny amin’ny Tranomboky Monisipaly Analakely, ny 23 febroary 2024 hatramin’ny 7 martsa 2024, ny fampiratiana ny asa soratr’i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-67 taona nanoratany. Anisan’ny Malagasy mpanoratra nisongadina ary mbola misongadina hatrany ity mpanoratra ity.

Partager sur: