Tetikasa JMCT : 60% amin’ny mpianatra 4 518 no nahita asa avy hatrany

Nampiakatra ny lentan’ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra sy ny mpianatra eny anivon’ny ivontoeram-panofanana sivy eto amintsika ny tetikasa JMCT niarahana amin’ny fanjakana kanadianina.

Nifarana ny tetikasa Jeunesse malagasy compétente au travail (JMCT), niarahan’ny ivontoeram-pampianarana teknika sy ireo sekoly ambony sivy (IST telo, Inscae, LTP…) ary notohanan’ny fanjakana kanadianina, AUF ary ny UQTR nandritra ny enin-taona. Seha-pampianarana telo ; taotrano sy asa vaventy, fizahantany sy fandraisam-bahiny ary fampisakafoana (HTR) ary ny fandraharahana no notohanana ary sekoly manofana mpianatra hifehy ireo asa ireo avokoa izany. Tanjona ny hampiakatra ny isan’ny mpianatra tafiditra amin’ny tsenan’ny asa avy hatrany rehefa nahavita fiofanana tamin’ireo sekoly sivy voasafidy iarahana miasa, hoy ny mpandrindra ny tetikasa eto Madagasikara sady tale jeneralin’ny IST Antananarivo, Rakotondrajaona Luc, teny Antaninarenina, omaly. Betsa­ka ny asa vita nanasongadinana ny fanofanana ireo mpampianatra miaraka amin’ny fomba approche par compétence (APC), niaraka tamin’ ny fandefasana mpampianatra sy mpianatra nianatra any amin’ny oniversite Trois Rivières Canada.
4 518 ny isan’ny mpianatra voaofana ka nisy 250 tamin’ireo mpianatra niala an-daharana ka nofanina hifehy ny BTP sy ny fizahantany. Nahita asa avy hatrany ny 60% tamin’ny mpiofana ka afapo ny mpamatsy vola sy ny mpitantana ny tetikasa. Nanokatra lalana hisantarana ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa (ATE) eto Madagasikara ny tetikasa JMCT. Mpiray ombon’ antoka lehibe amin’ny tetikasa koa ny vondron’ny mpandraharaha telo nandray ny mpianatra hianatra asa avy hatrany ao aminy. Navoakan’ny fanjakana ny volana novambra lasa teo ny didim-pitondrana hifehy ny fanofanana mifototra amin’ny alternance et travail études (ATE). Vonona hanohy ny tetikasa ny « table de concer­tation » ahitana ny minisitera voakasika rehetra sy ny vondron’ny mpampiasa ary ny sekoly voakasika hidinika ny hanatsarana sy hanitarana ny JMCT.

Vonjy A.

Partager sur: