Namoaka filazana ny lehiben’ny Cisco ao Toamasina fa hatsahatra aloha ny fampianarana ao an-toerana, nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso.
Noho ny faharatsian’ny toetr’andro any an-toerana sy ny mbola mety hitohizan’izany hatramin’ny 18 febroary ho avy izao no anton’ny fampitsaharana ny fampianarana.
Mikija andro aman’alina ny orana any an-toerana, maro ireo toerana dibo-drano. Manano-sarotra ny fandehanan’ny mpianatra mihazo ny sekoly. Misy ireo mpianatra sy mpampianatra mipetraka amin’ireo toerana tena saro-dalana na miampita rano mihitsy rehefa avy toy izao ny orana. Eo
koa ireo sekoly sasany anaty toerana saro-dalana ka mety hitera-doza ny fivezivezen’ny mpianatra amin’ny lalana malama…
Noraisina ny fanapahan-kevitra hiarovana ny ain’ny mpianatra sy ny mpampianatra. Miankina amin’ny fivoaran’ny toetry ny andro, araka izany, ny hiverenana an-tsekoly amin’io herinandro miditra io.
Tetsy andaniny, nilaza ny komity misahana ny fitantanana ny loza voajanahary fa mila mailo ireo mpiandriaka mandritra ny rotsakorana.
Tatiana A