INDRAY MIJERY

Hitohy hatramin’ny 18 febroary ny rotsakorana ho an’ny faritra avaratra, avaratra andrefana, avaratra atsinanana, afovoany atsinanana ary ny faritra sasany eto amin’ny afovoan-tany ka mety 100 mm ao anatin’ny 24 ora any amin’ny faritra sasany. Nandefa filazana fampitandremana ny foibe famantarana ny toetry ny andro, vokatr’izany.
Handefa maimaimpoana horonantsary japoney ny masoivoho ho an’ireo liana. Mitondra ny lohateny “Après la tempête” ny horonantsary halefa ny 6 marsa ho avy izao eny amin’ny foibe toeran’ny masoivoho eny Ambohijatovo. Afaka mamandrika toerana sahady ireo maniry ny hijery izany amin’ny rohy https://forms.gle/ PTZ5BZUGrjD1cy8QA.
Nihaona ny minisitry ny Mponina, Fomendraza Haingo Elisette, sy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Fid. Nidinika ny fomba enti-manatsara ny fiaraha-miasa momba ny fiahiana ny sosialin’ny mponina mba tena hipaka amin’ireo fianakaviana tena marefo ny roa tonta. Tanjona ny hampiakatra ny fahefa-mividin’ireo fianakaviana latsaka an-katerena ireo.
Nanamafy ny traikefany ireo inspecteur d’hygiène eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nifantoka tamin’ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana ny fiofanana. Teo koa ny fiatrehana ny fahasarotana amin’ny fanatanterahana ny asa eny ifotony.

Partager sur: