Vokatry ny rotsakorana: Olona efatra maty, telo tsy hita popoka

Mbola mitohy ny rotsakorana ka nahazo filazana fampitandremana i Vavatenina, Fenoarivo-Atsinanana, Toamasina I-II ary Vatomandry hatrany Atsimo Atsinanana, Taolagnaro, Soanierana Ivongo, Mananara-Avaratra ary Maroantsetra.

Efatra ny olona namoy ny aina vokatry ny orana nikija teto Antananarivo (boriborintany I) sy tany Man­do­to, orana niseho ny 6 ka hatramin’ny 11 febroary lasa teo, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva. Telo kosa no tsy hita popoka hatramin’ny omaly, iray avy tany Mahajanga sy Fenoarivo Atsinanana ary Vavatenina.
3 564 ny traboina voamarina avy amin’ny tokantrano 1 362, misy olona 305 avy amin’ny tokantrano 64 amin’izao fotoana izao nafindra toerana ka 17 eny Ivato – Ambo­hi­dratrimo, 53 eny amin’ny EPP Ambohijafy ary 235 ao amin’ny Fjkm Ziona Salaza­may, Toamasina I. Ho an’ny fotodrafitrasa 1 206 ny trano dibo-drano ary sivy no rava tanteraka. 49 ha ny tanimbary feno rano. Nanao antso ho an’ny fitondrana koa ny mponina ao Fenoarivo Atsinanana fa betsaka no very fananana sy rava trano fonenana vokatry ny rotsakorana be niseho tany an-toerana. Mangataka fanampiana izy ireo fa tena sahirana. Efa tonga nijery ny fanamboarana ny tetezana simba ny tomponandraikitry ny faritra sy ny avy amin’ny asa vaventy.
Faritra dimy no nitondra faisana vokatry ny rotsakorana betsaka teto afovoan-tany sy ilany avaratry ny Nosy : Analamanga, Analanjirofo, Boeny, Atsinanana sy Vaki­nankaratra.
Mbola nanao filazana fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny foibe famantarana ny toetry ny andro omaly. Manan-kery na­nomboka omaly ka hatramin’ny 18 febroary ny filazana ka rahampitso sy ny sabotsy manokana ho an’Atananarivo renivohitra, Antananarivo Avaradrano sy Atsimondrano ary Ambohidratrimo izany.
Mety hitarika fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavanandro ny fiandronan’ ny rano amin’ireo toerana mora tondraka, eo koa ny fiakaran’ny renirano sy ny firodanan’ny trano ary ny fihotsahan’ny tany ny rotsakorana.

Vonjy A

Partager sur: