Volley-CCC Zone 7: anatin’ny fanomanana tanteraka ny GNVB

Ekipa malagasy iray handray anjara amin’ny fifaninanana « Championnat des Clubs Champions, Zone 7 » (CCC Zone 7), taranja volley ball, ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, lahy sy vavy.

Fifaninanana hanomboka ny 24 Febroary izao eto Madagasikara. Higado­na afaka 10 andro ny fifaninanana «Championnat des Clubs Champions, Zone 7» (CCC Zone 7), taranja volley ball. Efa samy manomana avokoa ny klioba mpandray anjara rehetra, na ny eto an-toerana na ny amin’ny nosy rahavavy. Anisan’izany ny GNVB izay efa nikotrana nanomboka ny volana novambra 2023, araka ny fanazavana nentin’ny mpanazatran’izy ireo, Razafinjatovo Jean Honoré. Nisy, hoy izy, ny lesoka tamin’ny taona 2023 ary harenina avokoa izany amin’ ity andiany faha-28 ny CCC Zone 7 hatao eto Madaga­sikara ity. “Tsy avelako ho resy eny ambony kianja ny ekipako”, hoy ny nambarany. Marihina fa tsy nanafatra mpilaravinahitra avy any ivelany ny GNVB tamin’ity fa ireo mpilalao efa nandrafitra ny ekipa hatramin’izay ihany no notazomina. Misy ihany koa ireo taninketsa novolavolaina an-taonany maro tao amin’ny GNVB hanampy ny ekipa. Eo amin’ny vehivavy, mety hisy ireo mpilalao avy amin’ny klioba hafa avy eto an-toerana ihany, hilalao ao amin’ny GNVB. Ekipa anisan’ny mafy ny ekipan’i La Réunion, Maurice ary Seychelles, araka ny nambaran’ity mpanaza­tran’ny GNVB ity hatrany. Mafy ihany koa anefa, hoy izy, i Mayotte izay efa mandray anjara matetika amin’ny fifaninanana ao Frantsa. Tsiahi­vina, ho avy eto Madaga­sikara, anio, ireo solontenan’ny CAVB, hanao ny fitsirihana ny fotodrafitrasa sy ny fanomanana ity fifaninanana ity.

Mi.Raz

Partager sur: