Hotanterahina manomboka anio 15 ka hatramin’ny 17 febroary ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny Karting African Karting Cup (AKC 2024). Hampiantrano izany i Afrika Atsimo, ka ao amin’ny “circuit”-n’i Benoni no atao ny fifaninana. Anisan’ireo handray anjara amin’ity ny Malagasy.
Mizara ho sokajy roa ny AKC, ny OK-N ary ny OK-J. Hanana ny lanjany manokana anefa ny OK-N satria hiadiana ny toerana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany (Karting FIA OK-N 2024).
Raha ho an’i Madagasikara manokana, telo mirahalahy no hiady ho lohany amin’io : i Jessy Lewis Tsihoarana Wong sy Andriamamonjiarison Timothee Jaona ary Razafindratsimba Mboara. Eo amin’ny OK-J indray, telo mirahalahy koa no hiaro ny voninahi-pirenena. Eo Andrianjafy David Ivan, miampy an-dRajomarison Matheo ary Rajoelison Andi Nathan.
Miavaka ity fifaninanana ity, satria nataon’ny mpikarakara tsiambaratelo ny lalana hodiavin’ny mpifaninana. Anisan’ireo efa manana mpifaninana kalaza ry zareo mpampiantrano.
Torcelin