Efa nanainga hihazo an’Antananarivo avokoa, ireo ekipa vehivavy U-23, avy any amin’ny faritra, hiatrika ny fifaninanana “De la rue vers l’or”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana hatao ny 16-18 febroary izao, eny amin’ ny Cnaps Vontovorona.
Hatao eto Madagasikara, ny 21 avrily izao, ny “Gala International Fihezama”. Taranja 3 no hifaninanana amin’izany, ahitana ny K1, Muay Thaï ary ny Low Kick. Tsy anisan’ny hifaninanana kosa ny Pancrace.
Mihemotra avokoa ny fifaninanana sy ny hetsika karakarain’ny ligin’Analamangan’ny Volley ball, manomboka ny 17 febroary hatramin’ny 2 marsa. Noho ny fiofanana hiarahana amin’ny CAVB sy ny CCC Zone 7 no antony.
Mizotra tsara ny fanomanan-tenan’ny Ankoay Senior, hiatrika ny dingana voalohan’ny “Afrobasket 2025”. Fifaninanana hatao any Egypte ny 23 hatramin’ny 25 febroary izao. Egypte, Côté d’Ivoire ary Centrafrique no hifanandrina amin’ny Ankoay.