Rugby : miofana ireo mpanazatra sy mpitsabo ary mpitsara

Niofana nanomboka ny talata teo, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ireo mpitsara sy mpitsabo ary mpanazatra manana ny “niveau 3” sy mpanomana ny ara-batana, ho an’ny taranja rugby. Mitarika izany, i Charles Yapo sy ny dokotera i Madani Fall, manam-pahaizana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena (IRB), ampian’i Berthin Zoto, tomponandraikitra amin’ny fampiroboroboana ny rugby aty Afrika sy ny tale teknika nasionaly ary i Rija, misahana ny fampiofanana eo anivon’ny Malagasy rugby.

Fampiofanana ireo mpampiofana ity natao ity sady fanamafisam-pahaizana. Mizara roa miavaka tsara ny fandrantoam-pahaizana, araka ny angom-baovao. Eo aloha ny fampitam-pahalalana ambony latabatra amin’ny alalan’ny fampianarana anaty efitrano. Manaraka izany, ny fampiharana eny ambony kianja ny zavatra avy norantovina.

Notsiahivin’i Charles Yapo, fa tsy ny mpitsara na ny mpanazatra ihany no manana andraikitra goavana amin’ny fampandehanana ny lalao, fa eo dia eo koa ny mpitsabo sy ny teknisianina amin’ny fanomanana ny tanjaky ny mpilalao. Mijery sy mianatra ny fitsipika vaovao mifehy ny rugby amin’izao fotoana izao ihany koa ireo mpiofana.

Hisy karazana fitsapana any amin’ny fiafaran’ny fiofanana izay hifarana anio.

Tompondaka

Partager sur: