Ping Pong – Mondial 2024: hihaona amin’ny Republique Tchèque i Madagasikara

Fandraisana anjara voalohany ho an’i Madagasikara ny fifaninanana iraisam-pirenena “Mondial 2024”, taranja tenisy ambony latabatra. Mpilalao telo mirahalahy no hiaro ny voninahi-pirenena.

Hanomboka anio, any Bu­san Korea Atsimo, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping pong”, lalao iraisana. Ani­san’ ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara, hifanandrina amin’izy ireo ny Republique Tchèque. Raha ny vaovao voaray, miisa telo ireo Malagasy mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany: Razafinarivo Antoine sy Fabio Rakotoarimanana ary Jona­than Nativel.

Raha ny fikarohana natao, ao amin’ny vondrona “5” no misy an’i Madagasikara. Hi­fan­dimby hifanandrina amintsika, i Japon, Taipei Chinois, Nigeria, ary ny Republique Tchèque. Firenena manana ny lanjany amin’ity taranja ity ireo mpifanandrina amin’ny Malagasy ireo. Tsy hitsanga-menatra nefa isika amin’ity fifaninanana ity fa hiezaka ny ho tafakatra amin’ny dingana manaraka, aorian’ny fifanintsanana isam-bondrona.

Tsara ny mampahafantatra fa voalohany eto Afrika amin’ny lalaon’olon-droa miaraka aty Afrika i Antoine sy Fabio ary anisan’ireo nahazo medaly volamena nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, natao teto amintsika, i Jonathan Nativel. Marihina fa natao hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny “lalao Olym­pika Paris 2024” ity fifanintsanana ity. Izay firenena miatrika ny ampahefa-dalana amin’ity lalao ity no hiatriaka ny JO Paris 2024.
Ankoatra izay, handray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina “Jeux Africains” an­diany faha-13, hatao any Accra Ghana, ny 8-24 marsa ho avy izao, i Madagasikara. Malagasy mpilalao valo mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany.

Fitia Randria

Partager sur: