Ranotrambo niseho tany Benenitra : olona iray maty, dimy tsy hita popoka

Taorian’ny fidinan’ny tomponandraikitra nijery ny vokatry ny ranotrambo niseho tany Benenitra, nivoaka ny tatitra ofisialy avy amin’ny BNGRC.

Iray ny olona maty vokatry ny fisian’ny ranotrambo tany amin’ny distrikan’i Benenitra, ny fiandohan’ny herinandro teo. Dimy ny olona tsy hita popoka ary dimy hafa avotra soa aman-tsara, araka ny tatitra avy amin’ny BNGRC, omaly. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny tomponandraikitra, taorian’ny fisehoan’ny voina nahazoana izao tatitra izao.
Nitombo ho dimy izany ny isan’ny olona maty vokatry ny rotsakorana be niseho na­nomboka ny 6 febroary lasa teo ary mbola mitohy ho an’ny ilany avaratra sy atsinanana ary ny eto Analamanga. Valo ny olona tsy hita popoka satria niampy dimy tsy mbola hita tany Benenitra.
Mahatratra 4 243 ny traboina, avy amin’ny tokantrano 1 602. Olona 984 hafa, eo anivon’ny tokantrano 304, nafindra toerana vonjimaika amin’izao fotoana izao, amin’ny toeram-pandraisana miisa efatra. 17 eny Ivato (Ambohi­dra­trimo), 261 ao amin’ny EPP Ambohijafy, 416 ao amin’ny EPP Analamboanio ary 290 ao amin’ny FJKM Ziona Sala­zamay-Toamasina I.
1 459 ny trano dibo-drano ary sivy rava tanteraka, 25 ny efitrano fianarana rava tafo tanteraka, 41 hafa simba amin’ny ampahany, 40 ny efitranon-tsekoly potika tanteraka.
49 ha ny tanimbary dibo-drano ho an’ny faritra Atsinanana. Faritra fito no nitondra faisana ny sehatry ny fanabeazana ao aminy vokatry ny rotsakorana be raha faritra enina no voakasiky ny rotsakorana mivantana: Ana­la­manga, Analanjirofo, Boeny, Atsinanana, Vakinankaratra ary Atsimo Andrefana.
Mbola hitohy hatrany ny rotsakorana

Mbola nanamafy ny foibe famantarana ny toetry ny andro omaly, fa hitohy hatrany ny rotsakorana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Tombanana 100 mm ao anatin’ny 24 ora any amin’ny faritra sasany ny refiny. Rahampitso, manankery ny fampitandremana ho an’ Analanjirofo, Atsi­nanana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Ho an’ny alahady kosa, voakasika Analanjirofo, Atsinanana, ny tapany avaratr’i Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fito­vinany, Itasy, Analamanga ary Betsiboka.

Vonjy A.

Partager sur: