Boriborintany IV : nofanina momba ny niomerika ny vehivavy

Natomboka omaly ny fampiofanana ireo fikambanam-behivavy etsy amin’ny boriborintany fahefatra mahakasika ny fikirakirana ny teknolojia moderina.
Haharitra 3 volana ny fampiofanana ao amin’ny “Maison digitale pour les femmes”, hifehezana ny fitaovana niomerika sy ny fivelarana maha olona.
Tanjona ny hifehezan’ireo mpisitraka ny fikirakirana ny fitaovana manaraka ny teknolojia toy ny solosaina, “tablettes”,”smartphones”, “internet”…Entina hampivoarana ny andavanandro sy ny tontolon’ny asa ny fahaizana mampiasa izany. Ny fampiofanana ny fivelarana maha olona kosa dia ahafahan’ny tsirairay manana fahatokisan-tena, handray andraikitra sy hahaleo tena.
Izao tetikasa izao dia fiaraha-miasa eo amin’ny Orange solidarité Madagascar sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Madagascar Women in action. Tanterahina amin’ny boriborintany fahefatra sy fahenina.
Tsy azo ihodivirana intsony ny fampiasana fitaovana niomerika amin’ny sehatr’asa rehetra, indrindra ny an-tanàn-dehibe. Mila mianatra ny fivoaran’izany ireo vehivavy mba hampiroborobo ny fandraharahana sy ny asa fivelomana.

Tatiana A

Partager sur: