Nitohy ny firotsahan’ny orana eto amin’ny faritra Analamanga, tamin’ity herinandro ity. Mitohy tsy ankiato ihany koa ny asa fanadiovana sy fanalalahana ny lakandrano amin’ny faritra iva sy mora tondraka rehetra, hoy ny Apipa. Miakatra ny rano amin’ireny faritra ireny ka miasa isan’andro amin’ny fanalana ny fako mitobaka sy ny tsikafona anaty lakandrano vaventy sy manamorona azy ny mpiasa. Tanjona ny hisorohana ny fitohanana na fiakaran’ny ranobe vokatry ny fako na tsikafona, indrindra amin’ireo toerana mora tondraka.
Tsy miasa irery ny Apipa amin’izany fa manampy hatrany ny minisitera mpiahy sy ny kaominina ary ny BNGRC.
Tsy mitsahatra manentana ny mponina ny Apipa amin’ny tsy tokony hanariana any anaty tatatra na vaventy io na madinika ny fako fa mandrora miantsilany ireo manao izany. Samy mizaka ny voka-dratsin’izany ny rehetra rehefa avy ny orana. Misongadina izany amin’ny fiakaran’ny rano raha vao mirotsaka 30 minitra tsy miato ny orana eto an-dRenivohitra. Difotry ny rano ny arabe ka sahirana ireo mpamily fiara, miteraka fitohanana lavareny. Eny amin’ny faritra iva, efa fiainana andavanandro ny rano tonga ao an-trano raha vao fahavaratra.
Vonjy