Ofisialy! Handray anjara amin’ny lalao Afrikanina, hotanterahina any Accra, Ghana, ny 6-28 marsa, i Madagasikara. Vonona ny atleta, nanome toky ihany koa ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena fa hanohana ny atleta malagasy.
Efa fantatra avokoa ireo taranja handraisan’i Madagasikara anjara, amin’ity lalao Afrikanina 2024 ity, izay miisa 11. Ao anatin’izany ny fibatana fonjamby, atletisma, tenisy, tenisy ambony latabatra, rugby à VII, judo, tolona, Basikety 3×3, karate, taekwondo ary ny lalao échecs. Nifandinika sy nifampiresaka tamin’ireo federasiona voakasika, ny MJS, tamin’ity herinandro ity. Samy resy lahatra avokoa fa zava-dehibe ny lalao Afrikanina, resy lahatra toraka izany koa ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ary efa nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny fandraisana anjaran’i Madagasikara, amin’io fifaninanana ho avy io. “Manana atleta manana ny maha izy azy i Madagasikara ary afaka mifaninana tsara”, hoy ny nambaran’ny minisitra Resampa André Haja. Nanamafy izany ihany koa ireo filohana federasiona fa atleta manana ”palmarès” tsara daholo no hotsongaina hisolo tena an’i Madagasikara. Tsy fandehandehanana, araka izany, no hatao any Ghana fa hitady fandresena sy haka medaly, araka ny nohamafisin’ny minisitra. Eo hatrany ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny MJS, hanohana sy hanome ny fepetra tsara ho an’ny atleta, hahazoana izay vokatra tsara izay. Araka ny loharanom-baovao, tsy mbola fantatra ny lisitry ny atleta sy ny isan’ny delegasiona hihazo an’i Ghana. Efa eo am-pikarakarana ny rehetra. Eo am-pandaminana izany, miaraka amin’ny federasiona koa, amin’izao fotoana izao, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Mi.Raz