Ping pong – « Mondial 2024 » : lavon’ny République tchèque i Madagasikara

Notanterahina omaly, tany Busan Korea Atsimo, ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany « Mondial 2024 », taranja “ping pong”, lalao iraisana. Ratsy fanombohana ny Mala­gasy mpilalao tamin’ity fifaninanana ity. Resin-dry zareo République Tchèque tamin’ny isa 3 no ho 1 izy ireo.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, lavon’i Jancarik Lubomir tamin’ny seta 3 no ho 2
(11,7/7,11/11,5/9,11/11,4) i Nativel Jonathan, Malagasy mpilalao, teo amin’ny lalao voalohany. Nandresy an’i Polansky Tomas, seta 3 no ho 2 (11,3/9,11/11,7/9,11/8,11), Rakotoarimanana Fabio, nandritra ny lalao faharoa. Resin’i Martino Jiri, seta 3 no ho 1 (11,7/11,8/9,11/11,8), Razafinarivo Antoine, raha niatrika ny fifanandrinana fahatelo.
Nazava ny fandresen’ny ekipan’ny République Tchèque, rehefa nandresy an’i Fabio, seta 1 no ho 3 (11,5/11, 9/9,11/11,5), i Jancarik Lubomir.
Mbola tsy very ny fanantenana ho an’i Madagasikara satria mbola misy lalao telo miandry azy ireo. Tsiahivina fa i Madagasikara, miray vondrona amin’i Japon, Taipei Chi­nois, Nigeria, ary ny Républi­que Tchèque, ao amin’ny sokajy « 5 ». Ity fifanintsanana ity izay hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “lalao olympika 2024”, hatao any Paris renivohitr’i France. Araka ny vaovao voaray, ireo firenena tafita amin’ny ampahefa-dalan’ity Mondial ity no tafita amin’izany.

Fitia Randria

Partager sur: