Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, teo amin’ny karting na ny “African Karting Cup (AKC 2024)”. Tafiditra ao anatin’ny «Top 10 Africain» i Mboara teo amin’ny sokajy OK-N.
Tontosa tao amin’ny Zwartkops Kart Circuit, Afrika Atsimo, ny alakamisy 15 ka hatramin’ny sabotsy 17 febroary lasa teo, ny andiany voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Karting na “African Karting Cup (AKC 2024)”. Tsy nitsanga-menatra ny ekipazy malagasy raha niatrika izany. Na sambany aza no niatrehan’izy ireo izany, naneho ny fahaizany ry zalahy nanoloana ireo efa kalaza afrikanina.
Teo amin’ny sokajy OK-N, nitana ny laharana fahenina Razafindratsimba Mboara, izay nahavita ny fifaninanana tao anatin’ny fe-potoana 11 mn 09.073 s. Faha-13 i Wong Jessy Lewis Tsihoara, nahatontosa ny hazakazaka, 11 mn 02.532s ary faha-15 Andriamamonjiarison Timothee Jaona. Nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ity kilasy OK-N ity, ilay Afrikanina tatsimo, i Wally Muhammad. Manana ny fe-potoana 10 mn 49.428 s. Izy izany no hisolotena an’i Afrika amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany (Karting FIA OK-N 2024).
Marihina fa nanjakan-dry zareo Afrikanina tatsimo ny fihaonana satria ry zareo avokoa no nitana ny laharana efatra voalohany. Tonga teo amin’ny laharana faharoa, i Vostanis Nikki10 mn 54.221 s ary fahatelo, i Zafiris Niko, 10 mn 58.099 s.
Teo amin’ny OK-J indray, laharana faha-9 Andrianjafy David Ivan, 11 mn 11.963 s ary faha-11 Rajomarison Matheo. Nandrombaka ny fandresena tamin’ity, ilay teratany afrikanina tatsimo, i Boshoff Wian. 10 mn 49.108 s ny fe-potoany. Faharoa, i Hill Luke ary namarana ny fiakarana lampihazo, i Kimyus Amani. Tsy nandray fiaingana kosa Rajoelison Andi Nathan, tamin’ity fifaninanana ity.
Torcelin




