Nifarana omaly, teny amin’ny complexe sportif an’ny Cnaps Vontovorona, ny fiofanana sady fifaninanana “De la rue vers l’or”, taranja basikety 3×3, sokajy vehivavy latsaky ny 23 taona. “Camp des Jeunes” naharitra 3 andro narahina fifaninanana nifanandrinan’ny ekipa 21 manerana ny Nosy no nitranga, nanomboka ny zoma 16 febroary lasa teo. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny ekipan’Analamanga, rehefa nandavo ny ekipan’ Amoron’i Mania, tamin’ny isa 18 no ho 9, nandritra ny lalao famaranana omaly. Laharana fahatelo kosa ny ekipan’i Boeny rehefa nandavo ny ekipan’i Vakinankaratra tamin’ny isa 17 no ho 16. Tsiahivina fa fifaninanana nanomanan’ny Ankoay sy nitiliana izay mety hisolotena an’i Madagasikara, hiatrika ny lalao Afrikanina hatao any Accra Ghana, ny 6 hatramin’ny 24 Marsa izao ity “Camp des Jeunes” ity. Misy amin’ireo mpilalao mendrika ireo no handrafitra ny ekipa nasionaly malagasy. Fiaraha-miasa eo amin’ny masoivohon’ny Frantsa sy ny federasiona malagasin’ ny basikety no nahafahana nanatanteraka ny tetikasa “de la rue vers l’or”. Nanome ny toerana niofanana sy nifaninana kosa ny Cnaps. Raha hiverenana, samy nanatanteraka fifaninanana tany amin’ny faritra nisy azy avy ireo ekipa 20 nandray anjara, tamin’ity tetikasa ity. Izay ekipa nandresy no niakatra teto Antananarivo niatrika ny fiofanana sy ny dingana farany.
Mi.Raz