Toetry ny andro : Iankinan’ny seha-pihariana sy ny fahasalamana

Tranoheva am-polony no mampiranty ny hetsika ataon’izy ireo momba ny toetry ny andro eny Analakely. Anisan’izany ny GIZ.

«Raha tsy misy ny he­tsika momba ny toetry ny andro hampihenana ny fiantraikan’ny fiovany, afaka 80 taona, hitombo 5°C ny hafanan’ny tany eto amintsika», hoy ny minisitry ny Fitatera­na sy ny famantarana ny toetry ny andro, Ramonja­velo Valery, omaly. Teny amin’ ny Lapan’ny Tanàna Analakely, nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany natokana ho amin’izany no nanaovany ny fanambarana. Antony mahatonga ny fanjakana manao ezaka lehibe amin’ny fandrakofana hazo ny velaran-tany 75 000 ha, hisorohana ny fiakaran’ny maripana.
Efa namolavola politikam-pirenena momba ny toetry ny andro ny fanjakana. Misonga­dina amin’izany ny fandrindrana ny asa atao, indrindra ny fahazoana antontam-baovao marim-pototra momba ny toetry ny andro, ny toetry ny rano ary ny toetry ny tany. Manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny sehatra maro ny antontam-baovao : fahasalamana, sy fihariana samihafa (fambolena, jono…), ary ny fanabeazana.
Nanana fitaovana fandrefesana momba ny toetry ny andro sy ny rano ary ny toe-tany 300 i Madagasikara teo aloha. Ankehitriny, 48 sisa no miasa. Vokany, ho anisan’ny laharam-pahamehana ny fa­me­­renana ny fitaovana mba ahazoana antontam-baovao azo antoka.
Natolotra omaly koa ny Dra­fitrasam-pirenena 2023-2027 mifandraika amin’ilay tetikasa fampahafantarana mialoha ny tandindon-doza ho an’ny rehetra, tarihin’ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana.
Firenena voalohany manana rafitra mifehy ny rantsana fampitandremana mialoha i Madagasikara. Iraisan’izao tontolo izao ny vokatry ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Mi­seho amin’ny haintany, tondradrano, rivodoza mahery vaika, fiakaran’ny maripana ary ny fihenan’ny vongan-dranomandry “Banquise” izany. Na­namarika ny taona 2023 io tranga io ary ahina ho mafy kokoa amin’ity taona ity, araka ny nambaran’ny solontenan’ny Pnud eto amintsika.

Vonjy

Partager sur: