Fitangosana “Ticket” amin’ny mpivarotra: notorian-dRavololomanana Lalatiana ny CUA

Fiverenan-dalana any amin’ny gaboraraka sy ny kolikoly ? Hitory ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, eny amin’ ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana ny mpanolotsain’ny tanàna, Ravololomanana Lalatiana.

Nambarany ho anton’izao fitoriana napetrany izao ny nanafoanan’ny CUA ny fampiasan’ny mpivarotra ny karatra biometrika amin’ny alalan’ny “Digitalisation”. Fanatsarana ny fitantanana nentin’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina anefa izany. “Naverina hotangosana amin’ny alalan’ny “Ticket” indray ny haban-tsena eny amin’ny mpivarotra taorian’ny naoty navaokan’ny CUA ny 25 marsa teo”, hoy izy. Nanteriny fa miverina amin’ny kaominina indray izany ny fitakiana ny haban-tsena raha nampiasana ny “Digitalisation” izany teo aloha. Hentitra anefa ny mpanolotsaina, Ravololomanana Lalatiana. “Hanatitra ny taratasy fitoriana eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana izahay. Tsy mahafoana ny fanapahana noraisin’ny mpanolotsain’ny tanàna ny naoty navoakan’ny mpitantana ny tanàna”, hoy izy. Nohamafisiny koa aza fa mazava ny voalazan’ny Lalàmpanorenana ny amin’ny andraikitry ny delegasionina manokana. Manao ny fampandehanan-draharaha fotsiny ihany ireo mpitantana ireo fa tsy afaka maka fanapahan-kevitra tahaka izao, araka ny nambarany. Tsy tokony hiverina amin’ny zavatra efa vita.
Tratry ny amboletra sy ny tsindry ireo mpivarotra

Nanteriny fa iharan’ny tery vaimanta sy ny amboletra ireo mpivarotra mijoro ara-dalàna. Efa nahavita sonia fifanarahana tamin’ny ben’ny Tanàna anefa izy ireo, araka ny nambarany hatrany.

Nanamafy izany ny filohan’ny fika­m­banan’ny mpivarotra etsy Am­bodin’Isotry, Raharimalala Olga. Tsy tonga any amin’ny kitapom-bolan’ny CUA ny vola fony nalaina tamin’ny “Ticket” ny haban-tsena. “Azo antoka ny fidiran’ny volan’ny kaominina rehefa nampiasaina ny karatra “Biometrique” izany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: