Nandray ny ambasadaoro vaovaon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine, i Ji Ping ny Praiminisitra, lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, omaly teny Mahazoarivo. Anisan’ny nisongadina tamin’ ny diniky ny roa tonta tamin’ izany ny fanohizana sy ny fanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Chine. “Manohana ireo fandaharanasa hanatanterahana ny vina napetraky ny filohan’ny Repoblika izahay”, hoy ny ambasadaoro. Anisan’izany ny «Initiative pour l’Emergence de Madagascar-IEM», araka ny nambarany. Voaresaka koa ny fampirisihana ireo orinasa sy ny mpandraharaha sinoa hampiasa vola eto amintsika ka handray anjara bebe kokoa amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. “Anisan’izany ny eo amin’ny sehatry ny angovo, ny fotodrafitrasa momba ny lalana ary ny sehatry ny fambolena”, hoy ny lehiben’ny governemanta. Tafiditra amin’ilay samy hahazoan’ny andaniny sy ny ankilany tombony izany.
Ankoatra izany, nodinihina ihany koa ny sehatry ny fahasalamana, efa niarahantsika niasa an-taonany maro teo amin-dry zareo Sinoa. Eo koa ny momba ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Naneho ny firaisam-po tanteraka ary nankahery ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka malagasy ny fitondrana Sinoa tamin’ny alalan’ny masoivohony, noho ny takaitra vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy Gamane tamin’iny faritra avaratry Nosy iny.
Synèse R.