Hafatry ny kardinaly Tsarahazana: “Mahantra sy fadiranovana ny maro anisa…”

Nampita ny hafatra Paka ho an’ny vahoaka sy ny kristianina ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Desiré. Voatanisa ao anatin’izany ny momba ny olana sosialy sy ny politika…

Nahitsy ny fanambarany. “Mahantra sy fadiranovana ny ankamaroan’ny Malagasy. Sahirana ny maro anisa”, hoy izy. No­ta­nisainy ho anton’izany ny fitiavan-tena sy ny tsy fitsinjovana ny fananana iombonana. Tsy voakojakoja ny eo an-tanana.
Nohitsiny koa fa maro ireo mandainga. Ampiasaina izany hitadiavana tombontsoa ma­nokana. Tsy vitan’izany fa lasa “Bizna”‘ ny politika, araka ny nambarany. “Zary fitaovana entina hamitahana ny hafa ny lainga… Tsy lazaina intsony ny halatra amin’ny endriny samihafa sy ny tsy fitiavan-tanindrazana”, hoy izy.
Notsiahiviny anefa fa tsy ny ratsy no ho tompon’ny teny farany eto amin’ity tany ity fa ny tsara. Handroso haingana ny firenena raha mibebaka ny rehetra, araka ny nambarany hatrany…

Lainga sy fihatsaram-belatsihy

Ankoatra izany, nampitandrina ny kardinaly fa tsy ireo rehetra mitory an’ i kristy akory no mandeha amin’ny lalana mahitsy. “Vela-pandrika sy lainga ary fihatsaram-belatsihy ho an’ny tombontsoa manokana ny sasany amin’izy ireny. Teti-dratsy ny ao ambadika sy kendrena amin’izany”, hoy izy. Lasa fitaovana ha­naovan-dratsy ny fitoriana ny vaovao mahafaly amin’ny fanehoana fihetsika samihafa etsy sy eroa, araka ny nambarany hatrany. Nanterin’ny kardinaly Tsarahazana Desiré fa natao ho an’ny rehetra izany hafatra nampitainy izany ary samy tomponandraikitra ny rehetra manoloana ireo tranga samihafa eto amin’ny firenena sy ny fiaraha-monina ireo.

Synèse R.

Partager sur: