Anisan’ny notapahina tamin’ny filankevitry ny minisitra, omaly, teny Iavoloha ny handefasana iraka manokana ho any Maraoka. Anisan’ny vinan’ny fitondram-panjakana ny hanokafana masoivoho any Rabat Maroc. Hijery ny toerana hatao foiben’ny masoivoho sy hanomboka ny dingana ara-diplomatika ny dian’izany delegasiona izany. Nankatoavina koa ny hametrahana paikady faobe hiarovana ny tanin’ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana samihafa, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny disitrika hanaovana andrana manokana ny any Morondava ka hofantarina tsirairay ny tanim-panjakana any an-toerana. Tanjona ny hamerenana ny tany amin’ny fanjakana. Nanome toromarika ny filohan’ny Repoblika mba hanakanana ny fangalarana ny tanim-panjakana ary hamerenana ireo tany nisy nangalatra amin’ireo minisitera na sampan-draharaham-panjakana.
Mifarana ny 100 andro…
Etsy andaniny, mitohy ny fanehoana ny tatitry ny asa vitan’ny minisitera tsirairay avy tao anatin’ny 100 andro, amin’ny alalan’ny horonantsary. Nanao jery todika ny asa vitany avy ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ary ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa no nampahafantatra izay jery todiky ny asa vitany. Mifarana rahateo izao ny 100 andro voalohany nitantanan’ny filohan’ny Repoblika.
Ankoatra izany, hatsangana ny « Service Opérationnel d’Activité – Soa » ho an’ny disitrika vaovao any Antanimora Atsimo, Androy. Ahafahana mampiasa tetibola Peo anivon’ny minisiteran’ny Atitany hananganana birao iasan’ny lehiben’ny disitrika any an-toerana izany.
Synèse R.




